Alakamisy 12 Janoary 2023

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Salamo 32:8

Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Matio 7:14

 

Ilay mpitari-dalana ireo izay very

Tenina filôzôfa iray : „Isika dia tsy mahafantatra ny anton’ny nahaterahantsika, na izay hiafarantsika aorianan’ny fahafatesana. Olom-bery avokoa isika rehetra.” Io mpanoratra io ve izany dia afaka manoro lalana ireo mahatsiaro tena ho very, eto amin’ity tontolo tsy misy soridalana arahina ity ? Afaka manome fahazoana antoka ve ny fahendren’olombelona ?

Satria tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, dia very tokoa. Nanjary mpirenireny tetỳ an-tany izy, toa an’i Kaina (Genesisy 4:10-12). Misy mpaminany iray koa, efa nilaza izany : „Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra” (Isaia 53:6). Saingy tia antsika Andriamanitra, ka tsy te hamela antsika ho toy izany. Mametraka lalana roa eo anoloantsika Izy, dia „ny làlan’ny fiainana sy ny làlan’ny fahafatesana” (Jeremia 21:8). Ity faharoa dia lalana malalaka „izay mankany amin’ny fahaverezana” (Matio 7:13). Eo amin’io lalana io avokoa ny olombelona rehetra. Nefa Andriamanitra dia manome ho an’izay mitoky aminy, hery ara-toe-panahy hisafidy ny lalan’ny fiainana sy fitahiana ary fahasambarana. „Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy” (Deoteronomia 30:19-20). Dia hanana fifandraisana aminy isika. Ilay lalana iray kosa dia mitarika ho amin’ny firenirenena, ary farany, ho amin’ny fahoriana mandrakizay. Mitarika antsika hanalavitra an’Andriamanitra ny sitrapontsika manokana. Mino fa tia ahy Andriamanitra, ary mampifanaraka ny fisainako amin’ny fampianaran’ny Baiboly, izany no atao hoe mandeha misy „fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako” (Salamo 119:105). Ny Baiboly no mpitari-dalana azo antoka, hitarika eto amin’izao tontolo izao ; izy no ilay hany tena mpitari-dalana ireo izay very.